Actualité

JENERALY BOMBA

18/06/2026
00:27
0 commentaires
0 réactions
Tadidinay foana , ary tsy avelanay hijanona ho tantara fotsiny izany. Mitohy ny tolona.

Mitaky ny hanafainganana ny Fikaonandoham-pirenena izahay, mba hahafahanay mandrava ny Antenimieram-pirenena izay mamotika sy mampahantra ny firenena

Maneho ny tsy fankatoavanay ny LFR 2026 navoaka farany izahay, satria mampametra-panontaniana ny safidy natao tao anatiny. Nampitomboina ny tetibola natokana ho an'ny depiote, ary nahena kosa ny an'ny fanabeazana sy ny fambolena, izay samy fototra iankinan'ny fampandrosoana maharitra sy ny fanarenana ny firenena.

Tsy azo ekena ny fanalefahana ireo sehatra roa ireo, satria ny fanabeazana no mamolavola ny olom-pirenena rahampitso, ary ny fambolena no iankinan'ny ankamaroan'ny vahoaka izay 80% tantsaha.

Mitaky ihany koa izahay ny fampahafantarana sy fanazavana feno ny votoatin'ny dinika rehetra horesahana ao anatin'ny Fikaonandoham-pirenena.

Takianay ny hampitana izany amin'ny alalan'ireo haino aman-jery rehetra manerana an'i Madagasikara, mba hahafahan'ny vahoaka:

• Mandray anjara amim-pahalalana;
• Maneho ny heviny am-pahalalana;
• Mamakafaka sy mifidy araka ny fahalalana sy ny fahendrena.

Noho izany ilaina ny fapaha-tongavatsaina ny vahoaka amin'ny alalan'ny fanazavana sy fanabehazana, ary averinay foana fa tokony alefa amin'ny fahitalavitra rehetra manerana an'i Madagasikara izany fa tsy fandefasana sary mihetsika mapandihy vody fotsiny ny ataon'ny fahitalavitra sasany eto .

Video indrana

RAVAO NY ANTENIMIERAM-PIRENENA
OVAY NY RAFITRA
ALAVIRO NY KOLIKOLY
Réagissez à cette actualité
Connectez-vous pour réagir à cette actualité
Commentaires
0
Connectez-vous pour laisser un commentaire

Aucun commentaire pour le moment. Soyez le premier à commenter !