Actualité

FANANGANANA SAINA

18/06/2026
00:42
0 commentaires
0 réactions
FANANGANANA SAINA
🇲🇬 MADAGASIKARA, TANY IRAY – SAINA IRAY – VAHOAKA IRAY 🇲🇬

Madagasikara dia tsy tany tsotra fotsiny, fa firenena manana ny hasiny, ny tantarany ary ny maha-izy azy.

Ny sainam-pirenena malagasy, miloko fotsy, mena ary maitso, dia tsy haingo fotsiny fa mariky ny tolona, ny firaisankina ary ny fanantenana navelan’ireo razantsika ho antsika.

⚪ Fotsy : fahadiovana sy fahamarinana.
🔴 Mena : herim-po sy fitiavan-tanindrazana.
🟢 Maitso : fanantenana sy hoavy mamiratra.

Ankehitriny dia fotoan-dehibe hananganana sy hanomezana haja indray ny sainam-pirenena.

Na avy any Antsimo,na Avaratra
Na avy any Andrefana na Antsinanana

Ka Gasy Reny ,Gasy Ray dia malagasy no iantsona azy (Afa tsy RAJOJO nisafidy ho FRANTSAY)

Koa andao isika hiara-hanandratra ny sainam-pirenena, satria izy no mariky ny firaisantsika sy ny fireharehantsika amin'izao tontolo izao.

🔥 Saina iray, vahoaka iray, Madagasikara iray! 🔥

🇲🇬 Asehoy am-pireharehana ny sainam-pirenena malagasy. Atsangano, hajao, ary tiavo ny tanindrazantsika. 🇲🇬

#Madagasikara #SainamPirenena #MalagasyAho #Firaisankina #FitiavanTanindrazana #GenZMadagasikaraOfisialy
Réagissez à cette actualité
Connectez-vous pour réagir à cette actualité
Commentaires
0
Connectez-vous pour laisser un commentaire

Aucun commentaire pour le moment. Soyez le premier à commenter !