Actualité

PRRM

18/06/2026
00:49
0 commentaires
0 réactions
PRRM
Nambaran’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika nandritra ny resadresaka nataony omaly fa : "Tsy misy olona afaka mibaiko ahy eto."

Manoloana izany dia misy fanontaniana sy hetahetan’ny tanora sy ny vahoaka tianay hapetraka am-panajana:

🔹 Afaka hampidina ny saran’ny antso sy ny internet eto Madagasikara ve ny fanjakana, mba hanamaivanana ny vesatry ny mpianatra sy ny tanora izay miankina betsaka amin’ny teknolojia amin’izao fotoana izao?

🔹 Afaka mampandroso ny sehatry ny fanodinana solika eto an-toerana ve isika, mba hahafahana manararaotra bebe kokoa ny harena ananan’ny firenena sy mampihena ny fiankinana amin’ny any ivelany?

🔹 Aiza ho aiza ny tetikasa momba ilay opérateur vaovao izay nampanantenaina tamin’ny fiandohan’ny fitondrana?

Tianay hasongadina fa tsy fanoherana no tanjonay, fa fanaraha-maso sy fanehoan-kevitra avy amin’ny olom-pirenena maniry ny hahita an’i Madagasikara handroso.

✅ Rehefa mahita asa sy tetikasa mahasoa ny vahoaka izahay dia manohana sy mankasitraka izany.

✅ Rehefa misy kosa ny zavatra mila fanitsiana dia adidinay amin’ny maha olom-pirenena ny mampahatsiahy sy maneho hevitra.

Nahafaly anay ny naheno fa hisy ny fanafarana traktera hanohanana ny sehatry ny fambolena. Tetikasa tsara izany satria ny tantsaha no andry iankinan’ny toekaren’ny firenena. Manantena izahay fa ho ampy sy hiparitaka manerana ny faritra maro eto Madagasikara ireo fitaovana ireo, mba hahafahan’ny tantsaha maro misitraka ny tombontsoa entiny.

🇲🇬 Ny tanjonay dia iray ihany : Madagasikara mandroso, vahoaka miaina anaty fahamendrehana, ary fitondrana mihaino ny feon’ny olom-pirenena.

#Madagasikara
#TanoraMiteny
#Fampandrosoana
#Mangarahara
#FirenenaMandroso
Réagissez à cette actualité
Connectez-vous pour réagir à cette actualité
Commentaires
0
Connectez-vous pour laisser un commentaire

Aucun commentaire pour le moment. Soyez le premier à commenter !